Ianao tsinona, hoy izy, efa manao fampivondronana mialoha dia andeha ny fiadiana tompondaka nasionaly na “championnat” dia ilay “championnat” aiza izany no raisintsika? Ilay tompondaka tamin’ny 2022 ve no ho raisina hanao lalaon’ny nosy sa 2023? Efa norafetina anefa hoe ny tompondaka sy tompondaka lefitra tamin’ny 2022 ary izay fantatry ny mpanazatra fa mendrika no ho fantenana hanao lalaon’ny nosy. Izay mahay no tokony hanao lalaon’ny nosy ary aza adino fa isika no hampiantrano. Ny dikan’izany dia tokony hanana safidy tsara isika ary amin’ny sokajy rehetra. Na ho fenontsika aza ny sokajy miisa 10 tsy olana. Izany anefa tsy manakana ireo faritra te hikarakara fifaninanana. Teto Analamanga izao ny alahady teo nisy. Toamasina koa manao foana. Samy manao ny faritra rehetra. Toy izany ny any Boeny, Atsimo andrefana, Toliara. Mila famondronana in-3 miantoana koa tsinona aty amin’ny ady totohondry vao hita hoe iza no tena mendrika. Miisa 10 ny sokajy ho an’ny zazalahy dia 7 ny zazavavy. Ny resaka lanja izao tsy hananantsika ny maherin’ny 92kg ho an’ny lehilahy. Ho an’ny vehivavy, tsy manana 75kg sy 69kg isika fa mbola an-dalam-pitadiavana. Vokatry ny rivodoza sy fahatapahan’ny lalana dia voatery any amin’ny faraparan’ny volana aprily any vao afaka manao fampivondronana na “regroupement”. Miisa 32 lahy any no ho fantenina amin’io. 1 na 2 isaky ny sokajy no alaina anatin’ireo. Ao koa ireo mpanao ady totohondry iraisampirenena. Misy nanao fiofanana. Misy tsy afaka noho ny asa. Isan’ny antsoina hifanintsana anaty fifampivondronana koa ireny, hoy hatrany ny federasionina.
J. Mirija
Mijanona ho mangidy, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Nicolas Dupuis, teo am-pahatongavana tao Douala, Cameroun, ny faharesena.
Tsy nisy dinika fa dia lasan'i Fulgence Rakotonirina indray ny fiadiana ny ho tompon-dakan'ny semi marathon notontosaina omaly maraina teto Antananarivo.
Isan'ny zokiny indrindra mbola milalao kanetibe i Davily na Rakotoarinoro William raha ny eto Betafo .Nodimandry ny sabotsy teo izy raha efa 86 taona.
Afa-baraka. Endrika tezitra no hita teny Mahamasina taorian'ny naharesy ny Barea 3 noho 0 omaly alakamisy.
Azo lazaina ho efa naman’ny fanomanana ny CAN 2025 ny lalao miisa 3 farany ho atrehintsika manomboka amin’ny 27 martsa izao,