faharoa i Madagasikara ho an’ny Africa Men’s Sevens Series 2026, taranja rugby. Resin’i Kenya 15 noho 12 isika teo amin’ny famaranana omaly. Lalao henjana sy nifandanja tanteraka, ka isa telo monja no nanavaka ny ekipa roa tonta teo am-piafaran’ny fifaninanana. Somary nahagaga ihany ny vokatra satria ny Makis no efa nampiseho fa anisan’ny « favoris » tamin’ity andiany ity. Efa resiny tamin’ny isa mavesatra 26 noho 0 mantsy i Kenya nandritra ny dingana voalohany. Raha toa ka tsy nahita vahaolana teo anatrehan’ny herin’ny Malagasy tamin’io fihaonana voalohany io ny Kenyana, dia nahavita nanarina ny lesoka sy nanao valin’ady kosa izy ireo teo amin’ny lalao famaranana. Nandritra ny fifaninanana manontolo, nandravarava ny Makis. Nanomboka tamin’ny fandresena lehibe 33-0 nanoloana an’i La Réunion, avy eo nandresy an’i Namibia tamin’ny isa 26-17. Nanaraka an’io ny fandresena goavana 26-0 nanoloana an’i Kenya, izay efa nanamarika fa vonona hiady ny amboara ny ekipa malagasy. Tamin’ny dingana manasa-dalana indray dia voafehin’izy ireo i Burkina Faso tamin’ny isa 26 noho 14, ka nahafahan’izy ireo niakatra tamin’ny famaranana. Na dia tsy tonga teo amin’ny tanjona farany aza ny Makis 7’s, dia mijanona ho miavaka ny zava-bitany. Fandresena dimy tao anatin’ny lalao enina no azony, ary faharesena tokana tamin’ny lalao farany ihany no nanakana azy ireo tsy hibata ny anaram-boninahitra. Vokatra manaporofo izany fa anisan’ireo mafy indrindra amin’ny rugby à VII aty Afrika i Madagasikara.
Toky R