lavitra ny Ankoay U18 izay miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika na ny AfroBasket U18 andiany faha-25 tanterana any Abidjan Côte d’Ivoire nanomboka ny 5-16 aogositra 2026. Mbola nandresy indray an’i Maroc tamin’ny isa 59-48 ny Ankoay U18, ny zoma alina teo tany Abidjan, ka nahazo ny fandreseny faharoa misesy sady nanamafy sahady ny fahatafitany amin’ny ampahefa-dalana, taorian’ilay fandresena an’i Gabon 68-65 tamin’ny « buzzer ». Azo lazaina ho niady ny lalao tamin’i Maroc, fa tao anatin’ny ampahefa-potoana farany no naneho ny heriny ny Akoay izay nahavita nitarika elanelan’isa folo. Vao nanomboka dia efa nitarika 0-6 ny Maraokanina, saingy tratra 14-14 tao anatin’ny ampahefa-potoana voalohany, ary nitarika 25-22 isika teo am-pialana sasatra. 38-34 teo amin’ny ampahefa-potoana fahatelo, ary nifamaliana sy nisy fotoana nitovy ny isa, ary nitarika elaelana efatra ny Maraokanina, saingy nitsimbadika tanteraka avy eo. Tokony ho nihoatra lavitra noho izay aza ny elanelan’isa, fa isan’ny lesoka ilàna fanarenana ny tifitra « lancer-franc » satria nisy tifitra 3 in-droa niantoana tokony nahazoana isa 6 ohatra dia ny 1 tamin’ireo ihany no tafiditra. Mpilalao isan’ny nisongadina hatrany i Harinosy A’Ranty kapiteny izay nampiditra isa 13, passes décisives 10 ary interceptions 6, ho an’ny tombana +18. Nanamafy ny maha manana anjara toerana lehibe eo anivon’ny ekipa na tamin’ny fitarihana lalao na ny fampidirana isa. Nahavita « double-double » tamin’ny isa 12 sy rebonds 12 kosa i Matazaky, niampy contres 3, ka nahazo tombana +18 ihany koa. Nandray anjara tamin’ny fahombiazan’ny ekipa ihany koa i Yohann, nahavita isa 6 sy rebonds 8, tamin’ny tirs 2/3 sy tombana +12. Ho an’i Thiedy kosa, nahavita isa 8 sy rebonds 7, ka rebonds défensifs ny 6 tamin’ireo, ho an’ny tombana +7. Zava-dehibe ny fandresena roa tamin’ny lalao roa, nanoloana an’i Gabon sy Maroc, izay nanokatra ny varavaran’ny ampahefa-dalana ho an’i Madagasikara izay laharana faharoa vonjimaika nialohan’ny lalao nifanandrinana tamin’i Mali omaly tamin’ny 10 ora sy sasany alina, izay mbola tsy nisy vokatra nialohan’ny nanoratanay. Irariana hatrany ny hahalasa lavitra ny Ankoay, izay tsiahivina fa efa tompodaka lefitra taty Afrika isika ny taona 2022, ary niatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny U19 ny taona 2023.
Toky R