airtel

Sport

14-août-2026

AFROBASKET U18

Nifarana ny dian'ny Ankoay

Sample post image

Nifarana teo amin'ny 1/4dalana

14-août-2026

ny dian'ny Ankoay ho an'ny AfroBasket U18 tanterahana any Abidjan Côte d'Ivoire. Resin'ny Senegaley 54-40 isika omaly, ka mifarana eo aloha ny lalana taorian'ny dingana lehibe tany amin'ny Zone 6 nahafahana niakatra tamin'ity fifaninanana ity izay nandresentsika an'i Gabon sy Maroc tamin'ny lalao isam-bondrona. Omaly, nitarika tamin’ny isa 23-21 i Sénégal teo am-pialan-tsasatra nandritra ny ampahefa-potoana voalohany. Na dia nitarihana 10-0 aza ny Ankoay, dia nahavita nanakaiky tsikelikely noho ny fanitsiana ara-taktika nataon’ny mpanazatra Tojohery Rasamoelina izay nampiditra fiarovan-dalana “zone defense”. Codé Mbengue no nitarika ny isa ho an’i Sénégal tamin’ny 11 pts, raha i Thesbon Matazaky Raolompanatena no nitarika an’i Madagasikara tamin’ny 7 pts, narahin’i Abdoul Yvan Hanaffi (6 pts) sy Harinosy A’Ranty Rasetriarivony (3 pts). Ny ampahany voalohany dia voamarika tamin’ny 31 “turnovers”, 18 ho an’i Madagasikara ary 13 ho an’i Sénégal. Nitarika lavitra ny Lions de la Téranga tarihin’i Mouhamed Diadie Sene tao anatin'ny ampahefa-potoana fahatelo ka lasa 41-25. Ny rafitra fiarovana henjana napetrak’izy ireo dia nanakana tanteraka ny Ankoay izay tsy nahazo afatsy isa 4 monja tamin’ity ampahany ity, panier iray sy lancers francs roa. Ankilany, nandany baolina iray monja tamin’ny fahadisoana ny Senegaley raha 6 kosa no very ho an’i Madagasikara. Fampisehoana mazava fa nanamafy ny fifehezany ny Lions de la Téranga raha mbola niezaka nitady vahaolana kosa ny Ankoay, saingy 54-40 ny isa nisarahana. Ankasitrahana ny vitan-dry A'Ranty sy ny ekipany izay tena niady tao anatin'ny lalao rehetra.
Toky R
 

Dans la même rubrique