Ity no baolina faharoa ho azy tamin´ity taona ity, raha ny angom-baovao voaray tao anatin’ny fifaninanam-pirenena Ejiptianina tato anatin´izay 3 volana izay. Teo aloha raha tifitra tokana na tsy misy isaky ny lalao no vitany dia niakatra ho 6 sy 7 isaky ny lalao izany. Ankoatra izay dia matetika mahazo tolotra avy amin´ny namany ihany koa ity lohalaharana mbola herotrerony ity raha toa ka somary nahalana izany teo aloha, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Araka ny nambaran´ny mpanazatrany dia nitombo ny fahamatorana teo amin´ny fomba filalao ary ilay baolina voalohany nampidiriny andro vitsy lasa izay dia nanamafy ny fahatokisan’ny namany azy ka nampiakatra ny fahatokisan-tenany koa. 3 volana mialohan’ny lalao hifanandrinana amin´ny ekipam-pirenen’i Centre Afrique moa ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barea ankehitriny ho fiadiana ny tapakila amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na CAN ka dia ho hita eo indray ny fanapahan-kevitry ny mpanazatra Nicolas Dupuis na hiantso azy na tsia.
J. Mirija
Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina
Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena