airtel

Sport

03-oct-2022

Sport

Baolina kiatra - CHAN 2023 Ao anatin’ny vondrona maozatra ny Barea

Sample post image

Tafalatsaka anatin’ny Vondrona maozatra ny Barean’i Madagasikara hiatrika ny CHAN (Championnat d’Afrique des Nations) hatao any Algérie amin’io taona ho avy io.

03-oct-2022

Fandraisana anjara voalohany ho antsika io. Tafiaraka amin’i Maroc izay tompondaka tamin’ny andiany roa farany, voasokajy ho “favori” ao anatin’ny Vondrona misy antsika sy ny fifaninanan’ny CHAN mihitsy. Iray vondrona amintsika ihany koa i Ghana izay tompondaka tamin’ny 2009 ary nanao ny lalao manasa-dàlana tamin’ny 2014. Ekipa fahatelo iray vondrona amintsika i Soudan, izay tsy azo hamaivanina ihany koa satria fahatelo izy tamin’ny CHAN 2018. Naneho tamin’ny fampahalalam-baovao iray ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Rôrô taorian’ny antsapaka fa tafiditra ao anatin’ny “Groupe de la mort” tokoa isika satria tena manatombo ara-taratasy i Maroc sy Ghana, ary tena firenen’ny baolina kitra. Handray anjara amin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany,… Ny firenena roa voalohany tsara isa indrindra ao anaty vondrona moa no miakatra amin’ny ampahefa-dàlana. Na izany aza, naneho ny mpanazatra fa tsy hitsangatsangana sy hiala sasatra no haleha any Algérie, fa hiady mafy. Mananteena ny fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana mba ahafahana tena miatrika ny fifaninanana. Tsy misy ny voasoratra mialohan’ny fotoana ho an’ny baolina kitra fa tena hanomana ary hiady mafy, ary hifampidinika amin’ny federasionina sy ny tale teknika nasionaly amin’ny tokony hatao rehetra, raha ny nambaran’ny mpanazatra Rôrô.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap