airtel

Sport

07-févr-2023

Sport

Baolina kitra - CAN 2023 Any amin’i Dupuis indray izao ny maso

Sample post image

Nahavita nihoatra ny fanamby nataony iny ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra tsy niantsoana mpila ravinahitra na ireo Barea nanao CHAN, Romuald Rakotondrabe na Rôrô.

07-févr-2023

Ny ho tafavoaka tao anatin’ny vondrona nifaninana no tanjonay, hoy ny tenany tamin’ireny fotoana ireny, kinanjo moa iny tody tany amin’ny manasa-dalana ary nahazo ny laharana faha 3 iny mihitsy nefa sambany nandray anjara tamin’izany tompondakan’I Afrika na CHAN izany. Any amin’ny mpanazatra ireo Barea mahazo miantso mpila ravinahitra dia ingahy Nicolas Dupuis indray izany izao ny mason’ny mpitia baolina kitra malagasy sy ny mpanohana ny ekipam-pirenena, eny, ny firenena malagasy manontolo mihitsy. Mbola ao anatin'ny fifanintsanana iadiana ny amboaran’I Afrika na CAN hatrany izao ry Ibrahim Amada sy ny ekipany ary hiatrika lalao in-droa miantoana amin'io volana martsa hoavy io. Samy ho atao eto Madagasikara raha tsy misy ny fiovana ny lalao mandroso sy miverina hifandonana amin’ny ekipam-pirenen’i Centrafrique. Efa nahavita lalao miisa 2 isika ka ny iray faharesena 0 noho 3 be izao nanoloana an-drizareo ganeanina. Ny lalao faharoa sahala 1 noho 1 nanoloana an-drizareo angolay. Laharana faha 4 farany amin'ny isa tokana izany izao no misy antsika ao amin'ny vondrona E izay hifaninanana amin’ireo ekipa miisa 3 voalaza teo ireo. Heverina fa mbola manana herijika tsara isika hampitsimbadika izay laharana izay satria roa isa-bondrona no hiatrika ny CAN 2023 lalaovina amin'ny janoary 2024 any Côte d'ivoire. Miandry lalao fitsapana mafimafy ny mpankafy ka dia asa indray izay ho afitsok’ingahy Nicolas Dupuis.
Légende : Romuald Rakotondrabe sy Nicolas Dupuis
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap