Ary na dia tsy tany amin'ireo mpilalao loatra aza ny tsiny dia ny teo am-bavan'ny maro dia ny hoe esory i Dupuis.Saika nifatratra amin'ity vazaha ity daholo ny rihitra noho ny fanaovana an-tandrevaka tamin'ny fifidianana ireo hajoro voalohany amin'izany ny nampijoroany an'i Hakim Abdallah izay teny tsy nisy atokona. Any Virton, klioba ao amin'ny diviziona faharoa any Belzika koa ve moa ho hita antenaina. Fa ny tena mahazendana dia mbola niantsoana an'i Jeremy Morel izay sady efa 39 taona no mbola milalao any amin'ny National 3 any Montagnarde izany hoe diviziona fahadimy. Isika anefa nanana an'i Berajo saingy tsy niditra mihitsy ilay gonan'Amparafa. Vokany ny baolina matin'ny Centrafrique dia hadisoana tao amin' i Morel izay nijery fotsiny ilay mpanafika nanao tolotra teo amin'ny fandakana penalty. Voadona an'i Nina ihany ilay daka saingy lasa tao amin'ny mpilalaon'i Centrafrique tsy nisy nanembatsembana ka maty.
DISO SAFIDY ?
Dia mbola miverina amin'ny safidin'i Dupuis indray ny resaka satria vodilaharana tao koa i Kenji Van Boto izay mpilalao manafana seza any Auxerre. Mbola misy resaka ihany koa ny kapiteny Ibrahim Amada izay tena mavesatra. Nosoloina an'i Dax moa ity farany ka nomeny an'i Njiva indray ny famantarana ny kapiteny. Efa fanina koa angamba i Dupuis taorian'iny baolina roa matin'ny Centrafrique (44’ sy 72’) ka nosoloina an'i Zotsara indray koa i Njiva izay tsy nahatsindry fo ka natsipiny tamin'ny tany ilay fehin-damba. Nanolo olona dimy i Nicolas Dupuis izay tsy tena fahita saingy manaporofo fa diso ny safidy tany am-boalohany. Nesorina aloha i Tsiry ka tezitra i Mahamasina satria dia i Julio Donisa milalao any Romania no nasolo azy Nivoaka koa i Hakim Abdallah ka faly ny olona sady Rakool rahateo no nasolo azy. Nivoaka koa i Amada dia niditra i Dax ary farany dia i Datsiry mihitsy no nesorina hampidirana an'i Jean Yves. Raha tsorina dia tena tsy voafehin'i Nicolas Dupuis intsony ny raharaha ka tsara ho azy ny miala dieny izao Rayan Raveloson, Loic Lapoussin ary Sylvio Ouassero ihany mantsy hatreto no mandresy lahatra. Ny sisa dia tokony omena ireo toto-tanana Maninona koa anefa raha omena an'i Roro ny baolina anaovany azy.
Clément RABARY
Tafahoana any Toamasina ireo klioba matanjaka eo amin'ny sokajy N1 lahy sy vavy. Fantatra omaly hariva ireo ekipa vehivavy hiatrika ny manasa-dalana anio.
Mila manono baolina roa mba ho sahala dia hita avy ny tohiny. Izay no finoan',ireo mpanohana ny Disciples FC mipetraka any Betafo.
Efa any amin'ny Rallye International de Madagascar ny mason'ny rehetra. Asa aloha na dia hisy vahiny ho avy araka ny anarany fa ny azo antoka dia tena hiady mafy ny lalao amin'ireo andro ireo.
Efa nanaiky hitondra ny Barea A i Fabiano Costa na dia somary nananosarotra aza.
Nivoaka ho mpandresy ny Makis vehivavy tetsy Andohatapenaka raha nihaona tamin'ny Kamerona.
Sambany no hikarakara hetsika miavaka ny orinasa Star mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta ho avy izao.