Amin’ny 8 maraina izahay taloha dia efa tonga teo Mahamasina hijery baolina amin’ny 2 ora tolakandro, hoy ny filoham-boninahitry ny K2HB na Komity hanarina ny hasin’ny baolina kitra eto Madagasikara, Rabe Ignace. Fitiavana no antony, hoy izy. Rakotra tamin’izany i Mahamasina. Raha mandeha izany ny baolina kitra malagasy dia rakotra io Mahamasina io. Mahazo ny ilainy daholo amin’izay na ny mpilalao na ny mpitantana na ny mpitsara. Taloha rehefa hilalao aty Antananarivo ireny mpilalao avy any amin’ny faritra ireny dia entin’ny federasionina fiaramanidina izy miakatra aty. Mbola hahavita an’izany ve ny federasionina amin’izao fotoana? Nisy fotoana nitaraina ho tsy afaka ny ekipa iray avy any Toliara fa hoe mbola hanao fanadihadiana avy eo ny mpilalao dia ny federasionina tamin’ny fotoan’andro no niantoka ny fiaramanidina nandroso sy niverina. Raha ohatran’ireny mpijery baolina any an-dafy ireny ny mpijery eo Mahamasina dia milamina ny baolina kitra eto. Tsy ampy koa ny kianja eto. Isam-paritra tokony samy manana kianja miisa 5 na 6. Betsaka ny katitakely isam-paritra fa tsy voatrandraka satria variana aty an-drenivohitra aty fotsiny ny mpitantana. Erak’i Madagasikara ny mpilalao tonga anaty ekipam-pirenena taloha. Tao daholo na avy any Antsiranana, Toamasina, Moramanga, Ambatondrazaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija