Fahombiazana ny tompondaka eran-tany ho an’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, latsaky ny 15 taona, na Barea U15, raha ny lalao miisa 3 vita hatreto. Nihaona tamin’ny ekipam-pirenen’i Mozambika ny sabotsy teo, nandritry ny FIFA U15 World Cup & Festival na ny tompondaka erantany eo amin’ny taranja baolina kitra atao any Bakou, Azerbaïdjan ary nandresy tamin’ny isa 2 noho 0 ireo katitakely malagasy. Baolina matin’i Toky Razafiarimanana, teo amin’ny minitra faha 19, sy Francisco Fanomezanjanahary, minitra faha 29. Ekipam-pirenena miisa 5, raha tsiahivina, no miaraka amin’ny Barea ao amin’ny vondrona T, izay ahitàna an’i Madagasikara, Mozambika, Nouvelle Zélande, Porto Rico, Vénézuela, Somalie. Nouvelle Zélande sy Porto Rico koa samy resintsika 4 noho 3, omaly alahady. Araka ny fanamarihana moa dia mpilalao miisa 8 no eny ambony kianja, ho an’ny andaniny sy ankilany, izany hoe, miisa 16 no fitambarana, raha ny fanazavàna hatrany mikasika izay tompondaka erantany ho an’ny latsaky ny 15 taona izay. Venezuela sy Somalie indray izany no inoana sy antenaina fa ho lasopy androany.
Nangonin’i J. Mirija