Nefelahan'ny commissairen'ny lalao tampify mandrivorivo ny mpanazatra an'ny Dato Navalona. Fifamaliana taorian'ny lalao no niatombohany ary dia niditra an-tsehatra hatramin'i Francklin Andriamanativo, izay talem-paritry ny Fanatanjahantena any amn'iny faritra iny. Ny mahatalanjona dia ny fihetsiky federasiona izay tsy ahitan-teny ary tsy manameloka ny herisetra toy ireny. Fanindroany izany izao no nisehoan-javatra tsy dia mazava ny ao Toliara satria efa niharan'ny antsojay koa ny Zanakala taminlny lalao natao tany. Ary dia mijanona eo angamba iny raharaha iny satria ho sarotra amin'ny filohan'ny federasiona Alfred Randriamanampisoa ihany izany hanasazy filohan'ny ligy izay nifidy azy.Asa aloha fa tsy tokony hijerena izany ny fandraisana andraikitra.
Clément RABARY
Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina
Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena