Ho avy hanatevin-daharana ny Barea hihaona amin'ny Angola tokoa mantsy i Titouan Safidy ilay kapitenin'ny FC Nantes U20. Matoa nataon'ny Nantes kapiteny ity zandry kely ity dia efa tena mahafeno ny fepetra rehetra indrindra ny toerana misy azy eny ambony kianja. Vodilaharana havia no misy an'i Safidy, toerana tsy dia mila halavana loatra fa na izany aza dia mirefy 1m78 izy ary milanja 72 kilao. Tena ao tsara fa ny fahaizany miaraka amin'i Berajo sy Fabien Boyer sisa. Ity farany moa na dia milalao any La Réunion aza dia nanda ny fiantsoan'i Jean Pierre Bade azy handrafitra ny ekipa voafantin'io nosy io fa dia nanaiky ankitsi-po hilalao miaraka amin'ny Barea mandritry ny Lalaon'ny Nosy.
Clément RABARY
Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy