Ao anefa no milalao i Lois Diony izay efa maneho fihetsika ny ombalahy rehefa avy mamono baolina. Izy rahateo no mpamono baolina betsaka indrindra ao amin'ny diviziona faharoa io. Ny fantatra aloha dia avy any Martinique ny tovolahy saingy tsirin-kevitra avy any amin'ny Lilian Raolison izay mpilalao ao Angers koa no mahatonga an'ireny. Ary rehefa arahina ny tantara dia mbola misy an'i Fabien Boyer koa efa nilalao tao amin'ity klioba ity. Raha atao vodilaharana afovoany miaraka amin'i Andy Pelmard izany i Fabien Boyer dia Kenji Van Boto no ilany havia ary azo apetraka amin'ny ilany havanana i Lilian Raolison izay voahosotra ho mpanome tolotra tsara indrindra nandritra iny 2023 iny. Mbola vao 23 taona moa izy noho izany azo antoka handimby an'i Romain Metanire izany nody any Etazonia namonjy ny vady aman-janany ka mety tsy manana klioba intsony rehefa niala tao amin'ny RFC Seraing tany Belzika. Ny mpiandry tsatokazo izany sisa tsy milamina raha tsy hoe efa velona i Nina. Ny eo afovoany moa raha mandeha tsara ny sera dia ho avy Francis Coquelin izay milalao any Espagne. Izy moa dia irakiraka ao amin'ny Villareal ary tena eo amin'ny heriny fa mbola vao 32 taona teo. Miampy ireo dia misy an'i Njiva Rakotoharimalala sy Loic Lapoussin izay samy mamiratra any amin'ny klioba hilalaovany. Ary izao no miampy an'i Lois Diony izay tena mipetraka ho lohany dia tena azo antoka fa tsy handresy antsika na i Mali na ny Comores. Izany hoe malalaka ny lalana. Anjaran'i Roro Rakotondrabe sisa no mandresy lahatra ireo ary aleo aza izay no zavatra hataony any Eoropa toa izay hitety sy hijery ny fomba fanao any Paris FC, Brest ary RC Lens. Ny fanjakana sisa no antenaina mba mahafoy vola be hanangana Barea afaka mitahy amin'ny firenena mantajaka eo amin'ny lafiny baolina kitra.
Clément RABARY
Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina
Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena