hiatrika ny fiadiana ny amboaran'i Afrika izay hatao ny 21-28 oktobra izao. " Vonona ny ekipam-pirenena hiaro ny voninahi-pirenena. Hanao izay faraheriny ireo mpilalao mba hahafahana mitondra mody indray ny amboara tahaka ny tamin'ny taona 2015. Farafaharatsiny mba tafakatra amin'ny famaranana izay ahafahana mahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany", hoy ny mpanazatra Ramarolahy Solofotsiavahana. Henjakenjana ny lalao miandry antsika ao anatin’ny Vondrona D, izay ahitana an'i Ouganda, Sénégal ary Égypte. Naneho anefa ny mpanazatra fa azo atao tsara ny mandresy ireo mpiray vondrona ireo raha ny nambaran'ny mpanazatra hatrany. Nanolotra lelavola 15 tapitrisa ariary ho fanampiana ny Barea beach Soccer moa ny orinasa iray amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra.
Toky R
Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina
Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena