airtel

Sport

10-oct-2025

Barea efa tsy maintsy faharoa

Ilaina ihany ny fandresena farany hanampiana herijika kokoa

Sample post image

Ilaina ihany ny fandresena amin’ny andro

10-oct-2025

farany ho an’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara hanampiana herijika kokoa ahazoana ilay toerana tsara indrindra amin’ireo faharoa amin’ity fifanintsanana hahazoana ny tapakila hakanesana any amin’ny amboara erantanin’ny baolina kitra ity. Efa tsy maintsy faharoa ny laharana misy ny ekipam-pirenena malagasy ao anatin’ny vondrona I misy azy na hanao ahoana na ahoana no vokatra amin’ny andro faran’ny fifanintsanana ny alahady izao manoloanan’ny Voromaherin’i Mali. Miisa 4 ireo laharana faharoa na hoe «meilleurs deuxièmes» afaka hifanintsana amin’ny lalao sakana, raha tsiahivina, izany hoe ho karazana manasa-dalana sy famaranana kely mihitsy izany. Hatreto dia i Gabon no voalohany amin’izany, manana isa 19. Manaraka azy ao i Madagasikara, isa 19 ihany koa saingy somary latsaka eo amin’ny isan’ny baolina maty. Fahatelo i Burkina Faso, isa 18, ary faha 4 i Kameronina, isa 18 ihany koa saingy latsaka elanelan’isa 1 amin’ny eo alohany ny elanelan’ny baolina tafiditra. Izay mivoaka mpandresy ao anatin’izay indray avy eo no mifanintsana farany amin’ireo faharoa mendry isaky ny kaontinanta, raha ny lamina fantatra farany hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

avy eny Ivato ka hatreny Mahamasina

Card image cap