airtel

Sport

08-mars-2024

BAREA

Ho tonga ihany i Gardies sy Kenny Lala

Sample post image

Tena niasa ireo solontenan'ny Barea any ivelany amin'ny

08-mars-2024

fandresena lahatra ireo nantsoin'i Roro Rakotondrabe. Tao amin’ny Transfertmark izao no nahitana ny fanehoan-kevitr'i Kenny Lala fa Malagasy izy. Ity vodilaharana havanana ao amin'ny Stade Brestois izay laharana faharoa ao amin'ny Ligue 1 ity no mety hanavotra ny Barea satria na io aza no toerany dia mahavita mamono baolina koa izy raha manome tolotra no nahafantarana an'i Lamasinina Romain Metanire. Ny vaovao faharoa koa no nahalalana fa efa naneho ny maha Malagasy azy koa i Teva Gardies izay mpiandry tsatokazo fiandry ao amin'ny Paris FC. Niasa mafy koa izany i Bolida nahatonga ity mpilalao ity niova hevitra. Ny olana kely anefa dia tsy mijoro aloha hatreto ity mpilalao ity. Miakina amin'ny mpanazatra ny mpiandry tsatokazo ihany anefa fa raha ny fotoana nilalaovany no jerena dia mety lasan'i Sonny Laiton ao amin'ny Auxerre ny toeran'ny mpiandry tsatokazo. Hatreto aloha ankoatra ny mpiandry tsatokazo dia ilay mpamono baolina atao lohany ( laharana faha 9) no tena tsy misy. Ary raha ilay baolina volana marsa koa dia ho sarotra satria tsy misy Rayan Raveloson, Marco Ilaimaritra ary Francis Coquelin. Ny mety ho solony mantsy izao dia i Rojo Be (Saint Pauloise) sy Baggio tao amin'ny Fosa teo aloha ary Andy izay Disciples ary isan'ny tena mivoatra indrindra no mbola zandry kely. Mbola tena sarotra no miandry an'i Roro Rakotondrabe satria na ny Comores na i Mali dia samy niezaka ahazoana ireo mpilalao tena avo lenta. Ny Barea anefa hatreto tena mbola mila mpamono baolina. Tsara na izany no niantsoana an'i Carolus atao joker satria na i Arnaud na i Hakim Abdallah samy mbola tsy misy maharesy lahatra fa miendrika kitranoatrano no niantsoana azy ireo. Ka na ho an'ny Elatr'i Betafo aza ve no tiany handehana tsy hilaza i Lamera mpanazatra hoe efa feno ny toerana.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap