airtel

Sport

13-juin-2024

Barea

Mety maharesy lahatra amin'izay

Sample post image

Tsara iny natao'ny Barea nanoloana ny Mali iny.

13-juin-2024

Tsy nisy nieritreritra mihitsy hoe ho voatazona sahala ireo Voromahery ireo taorian'ny karatra mena azon'i Demoléon (15). Tsy nila nampiditra mpilalao anefa ny Barea fa dia nidina vodilaharana ampovoany i Rayan Raveloson toerana izay efa mahazatra azy tao Troyes. Tena mahay ny toerana rehetra ity zanak'i Pierre Kely ity satria dia mbola izy koa no namono ny baolina roa nanoloana an’i Comores. Amin'ny saina tsy miangatra dia tokony ho izy ny kapiteny. Tsy hoe tsy mahay i Amada fa efa zokiny ihany ary tokony nosoloina aza tamin'ny fizaram-potoana faharoa dia nijanona nitondra ny lalao tao ihany i Rayan fa Fabien Boyer izay efa zatra miaraka amin'i Thomas Fontaine no napetraka. Izao mantsy dia ny Saint Pierroise no faly satria sady tsy nijoro no tsy naratra i Boyer sy Ando Manoelantsoa. Tsy tokony ho izany anefa satria tsy azo lavina fa mahay ireo roalahy ireo.
MAHARESY LAHATRA
Na izany na tsy izany dia mety maharesy lahatra ny sasany iny ady sahala mametraka ny Barea ho fahatelo iny satria mila ezaka kely dia mety ny Barea no afaka. Ny Comores izay voalohany mantsy mbola hivoaka ary hidona amin'ny Mali sy Ghana eny fa na ny Centrafrique aza. Isika anefa manana safidy eo afovoany raha tonga i Marco Ilaimaritra hiaraka amin'i Rayan sy Couturier. Fa ny tena andrandraina dia ny hoe hanaiky ho avy i Francis Coquelin hanidy trano.Efa miverina amin'ny heriny i Thomas Fontaine ary tsara izy sy Demoléon fa tsy safidy intsony i Lilian Raolisoa ao amin'ny SCO Angers ka aleo izy ho any. Efa tena tsara koa i Sonny Laiton ka ampy koa ireo satria mbola ao i Teva Gardies ary na tsy hijoro aza aloha i Nina dia tsara ihany izy ao anaty Vondrona mba hotsinjovana ny CHAN. Mahakasika ity farany dia tsy hiadian-kevitra intsony ny maha tompon-toerana an'i Rado, misy milaza aza fa aleo izy toy izay Metanire, sy i Tendry ary Andy izay tena mahavita koa saingy mbola tsy nijoro izy hatreto.
FANAMBOARANA KELY
Ny lohany sisa no mila amboarina ary izay no mety hiantsoana indray an'i Njiva izay tena havanana amin'ny famonoana baolina. Raha i Njiva izao no nahazo iny baolina teo amin' Arnaud iny dia efa nampamangy ny Mali. Raha mahita klioba ihany koa dia mbola tena ilaina i El Hadary raha hatao 9 1/2. Asa aloha fa mbola manana fotoana lavalava hanamboarana i Roro Rakotondrabe ary raha izao fandehany izao dia mety ireo mpilalao avo lenta indray no hiangavy toerana aminy satria hafa ihany izany hoe hanao Mondial ary na ny fanjakana aza dia hiroboka bebe kokoa ba dia ho sakaizan'ny mpandresy. Mba marina moa ?
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique