raha nilaza fa tsy haka izay tsy manana klioba ? Fanontaniana saro-baliana ihany satria ny heverina ho tompon-toerana indray no mbola mitady klioba hilalaovana toa an' i Sonny Laiton izay tsy nohavaozin'ny Auxerre ny fifanarahany. Raha mieritreritra indray hitady solony dia Teva Gardies no akaiky indrindra saingy tsy ao amn'ny Paris FC intsony izy. Raha alefa lavidavitra indray anefa dia mbola tsy manana klioba intsony i Mathyas Randriamamy. Ny tena mety ho olana dia mikasika ireo roalahy any Belgique satria raha mbola tsy milalao i Marco Ilaimaritra dia mbola mitady klioba koa i Loic Lapoussin. Hiaraha-mahita anefa ny zavatra ataon'izy roalahy rehefa ao anaty Barea. Isan'ny tsy manana klioba koa Ibrahim Amada sy Adtien Trebel ary Sylvio Oussero ary Sandro Tremoulet izay tsy hita tabilao ary toy izany koa i El Hadary. Ny eo am-pelatanana anefa dia mbola baraingo daholo ihany afatsy i Rayan Raveloson, Thomas Fontaine, Kendji Van Boto ary Clément Couturier dia lasa any Frantsa ary milalao amin'ny klioba diviziona fahatelo. Ny sisa mazava ho azy dia ireo mpiandry tanana toa an'i Tendry sy Andy ao amin'ny Disciples ary Rado Fanalamanga raha tsy hoe noho ny hamehana dia hamoaka sary hafa indray i Roro Rakotondrabe. Asa aloha fa toa mampanahy ihany ny tohiny raha tsy hoe tena avo lenta ireo mpilalao vaovao izay ho trandrahan'ny mpanazatra any Frantsa ny 12 sy 13 aogositra ho avy izao.
Clément RABARY
Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina
Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena