airtel

Sport

14-févr-2024

Barea – Mpiandry tsatoby

Isany notomorina i Grégoire Coudert

Sample post image

Isany notomorin’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy

14-févr-2024

eo amin’ny taranja baolina kitra na Barea, Romuald Rakotondrabe na Rôrô, nandritry ny fiofanana natao tao Frantsa farany teo ny mpiandry tsatoby ao amin’ny Stade Brestois, divizionina voalohany frantsay, Grégoire Coudert, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ity mpiandry tsatoby vao 24 taona ity moa (TTF: Teraka ny 3 aprily 1999), raha tsiahivina dia voavolavola tao Tours, Frantsa hatrany, ary ny taona 2021 no noraisin’ny Brest ary nanitatra ny fifanarahany ho hatramin’ny taona 2026 ankehitriny ny lehilahy. Mirefy 1,88 metatra i Coudert. Milanja 85kilao kosa, raha ny mombamomba azy voaray farany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-juin-2025

Ny Kianja nandaniana 77 tapitrisa dolara mbola tsy misy fankatoavana hatramin’izao,

Card image cap
18-juin-2025

Tao anatin’ny 31 segondra monja no nandavoan’ilay teratany malagasy, Laura Rasoanaivo,

Card image cap