airtel

Sport

04-déc-2023

Barea

Nivoaka tamin'ny fahanginany i Njiva

Sample post image

Lasa resabe ny fanehoan-kevitra nataon'i Njiva manoloana ireo mpilalao vazaha mandrafitra ny Barea.

04-déc-2023

Tokony ireo tena manana ra malagasy tsy misy fangarony no tokony antsoina hoy izy satria ireny no tena hita marary raha tojo faharesena. Tonga dia tany amin'i Clément Couturier ny mason'ny rehetra saingy amin'ny saina tsy miangatra dia noho izy milalao any Luxembourg izay tsy dia tazana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena na ny Swift Hesperange hilalaovany aza. Ary dia tonga ho azy ny resaka satria mila olona tena mahafehy ny eo afovoan'ny kianja io. Mety tsy nisy iny baolina matin'i Ghana iny raha tsy goragora ny fiarovantenan'ny Barea teo ampovoany iny. Na Couturier na tsy izy dia mila mitady mpilalao tena avo lenta any Eoropa raha mieritreritra hiady ny Amboara eran-tany izany. Aleo tsorina fa olona tahakan'i Francis Coquelin milalao ao amin'ny Villareal ireny no tena handrandraina. Ny any aloha indray rehefa tsy Ludovic Ajorque dia aleo i Rutter ilay ao amin'ny Leeds no resena lahatra.
Clément RABARY

Sary indrana
S
 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Na dia efa samy nahatody ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea tany

Card image cap
13-juin-2025

Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)

Card image cap
13-juin-2025

Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe

Card image cap