Nantsoina indray izao Roro nefa toa vao maika ny nantenaina hanirona indray no hampivandravandra. Tena betsaka ny msnontany tena hoe mbola misy dian-tanan'i Nicolas Dupuis indray ary ity lisitra ity Sarotra nantsy ny hino raha tena nionfana baolina toa an'i Roro indray no mbola hiantsoa an'i Hakim Abdallah sy Adrien Melvine ary Zotsara Andriambololona. Ity farany aza moa dia tsy manana klioba akory ary toy izany koa i Njiva sy Metanire. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe toa ireo mahay indray no tsy nantsoina ary voalohany amin'izany i Rayan Raveloson izay tena mamiratra na dia nivarina Ligue 2 aza ny AJ Auxerre. Tsy nantsoina koa i Marco Ilaimaharitra sy Loïc Lapoussin nefa ireto roalahy ireto no azo lazaina hoe anisan'ny sangany. Asa aloha fa hatreto dia efa betsaka sahady no tsy mahazoazo ity endrika vaovao' ny Barea ity. Hevitra ampiadiana ihany aloha izao satria ny hanongotsongoina ny maty noho ny tahotra ny handevina velona.
Clément RABARY
Raikitra ! Na tsy misy federasiona intsony aza na hoe misy fa sahirana amin'ny fifidianana izay ho mpikambana
Nidina ifotony ary nanampy ireo solontenan’ny klioba amin’ny taranja rugby izay natao tao amin’ny Kianja Malacam
Notanterahina ny alahady 24 septambra teo ny hazakazaka ho an'ny fandriampahalemana na
Ho ambohipihaonan'ireo mpilalao kanetibe ny eny amin'ny kianjanlny PAC etsy Ampitatafika ny 4 sy 5 oktobra ho avy izao.
Rehefa mitavozavoza manao zavatra dia lasan'ny olona ilay noheverina hitondra ny Barea A.