airtel

Sport

19-juin-2023

Sport

Barea U23 Resin’ny La Reunion zokiny 1 noho 0

Sample post image

Ao anatin’ny fanomanan-tenan’ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra latsaky ny 23 taona na Barea U23 hiatrika ny fifaninanana

19-juin-2023

Tournoi des 4 nations» ho atao atsy Frantsa amin’ity taona ity dia tontosa tamin’ity faran’ny herinandro ity ny lalao fitsapana nataon’ireto boay kelintsika ireto. Na dia resy tamin’ny isa 1 noho 0 nanoloana ny Ekipa zokiny ao La Réunion aza isika dia hita ho azo atao tsara ny manamboatra ny hoavy rehetra ary misy ho antenaina koa ny vokatra amin’izay France 2023 izay. Tetsy ankilany dia montsan’ny ekipam-pirenen’i Kaomoro U23 tamin’ny isa 4 noho 0 ny divizionina faharoa frantsay ao amin’ny Paris FC. Ny UFICASM na ny fikambanan’ireo mpilalao iraisampirenena sy heverina oloben’ny kitra malagasy hatry ny ela moa no nikarakara ny lalao izay natao in-droa miantaona tamin’iny sabotsy sy alahady iny tao amin’ny Stade Aimé Bergéal Mantes-la-Ville, raha ny fampahatsiahivana voaray. Mampametra-panontaniana ihany hoe iza indray izany no hanampy amin’ny fitadiavana lalao fanomanan-tena tahaka itony amin’ny manaraka satria dia efa iarahan’ny rehetra mahalala fa ho tapahan’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF ny fiaraha-miasa amin’ity rafitra iray ity ?
J. Mirija

Dans la même rubrique

15-mai-2025

Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy

Card image cap