airtel

Sport

14-juil-2026

Barean’i Madagasikara

Miha antitra ny afovoanin’ny kianja

Sample post image

Azo lazaina ho miha antitra

14-juil-2026

amin’izao fotoana izao ny afovoanin’ny kianja ho an’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara, raha ny fifantenana mpilalao vitan’ny mpanazatra, Corentin Martins, farany no jerena. Efa handao ny faha 30 taonany afaka andro vitsy sisa ity, ohatra, i Marco Ilaimaharitra, avokavoky ny Standard de Liège, divizionina voalohany ao Belzika. 32 taona ankehitriny i Clément Couturier, izay vao haingana no nifindra ao amin’ny US Mondorf, divizionina voalohany ao Luxembourg. Johan N'Zi moa 31 taona ary milalao ao amin’ny Bnei Sakhnin FC, divizionina voalohany ao Israely. Ny kapitenin’ny Barea, Rayan Raveloson, izay vao nifindra ao amin’ny Amed Sportif Faaliyetler Kulübü, divizionina voalohany atsy Torkia koa dia efa 29 taona amin’izao fotoana izao. Midika izany fa ho 30 taona na mihoatra avokoa izy 4 mirahalahy, izay heverina ho andrin’ny afovoanin’ny kianja malagasy ireo hatreto, rehefa tonga ny amboaran’i Afrika na CAN 2027. Hanao ahoana ny mpandimby? Hahavita mihoatran’ny vitan’ireo zokibe ve?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique