Sahirana sy nanary baolina tamin’ny fizaram-potoana faharoa. Tao amin’ny telo minitra farany vao tena nahita vahaolana sy nahazo isa 7. Tratra 31-31 isika teo ain’ny 4 minitra tsy hahataperan’ny fizaram-potoana fahatelo, ka niezaka namono, nitarika 34-31, 33-35, tratra 35-35. Vosongona 37-35 teo amin’ny roa minitra tsy hifaranan’io fe-potoana io. Nitarika 42-38 indray ny Tanzanianina teo amin’ny ampahefa-potoana fahatelo. Niditra ny ampahefa-potoana farany, nahasala ny isa 42-42 isika, nitarika 45-42, 47-43. 5 minitra tsy hahataperan’ny lalao 47-46 nitarika isika, nitarika 50-46 indray… Tratra 52-53, voasongona 55-53 rehefa nahafaty isa telo ny Tanzanianina, 2 minitra tsy hifaranana 55-55, nitarika 56-55 indray ny mpifanandrina. Nifamaliana ny isa ka 58-58 tamin’ny segaondra vitsy tsy hifaranan’ny lalao, ary tany amin’ny segaondra farany no nahafaty “3 points” tamin’ny alalan’ny tifi-davitra isika, izay nampihoraka an’I Mahamasina manontolo. Lalao tena nampitaintaina tanteraka. Ho mafimafy ny miandry antsika amin’ny manasa-dàlana satria I Egypte, isan’ny mafy indrindra amin’izao fifaninana izao no hifandona amintsika. Nandresy 94-44 an’I Algerie izy ireo tamin’ny ampahefa-dalana.
NITARIKA HATRAMIN’NY FARANY NY ANKOAY LEHILAHY
Ho an’ny lehilahy kosa, tonga dia “3points” avy hatrany no nisantarantsika azy nanoloana an’I Guinée, nitarika 5-0, 8-0, ary nifamaliana ny baolina maty taorian’io, voatazona ny elanelan’isa valo, ka 18-10 no nisarahana teo amin’ny ampahefa-potoana voalohany. 31-21 kosa ny teo amin’ny fizaram-potoana faharoa. Nitarika hatrany ny Ankoay, 48-33 ny isa nisarahana teo amin’ny ampahefa-potoana fahatelo, izany hoe: niakatra 15 ny elanelan’isa. Nanenjika ny Guinéens tamin’ny ampahefa-potoana farany, ka 48-39 teo amin’ny 4 minitran’ny ampahefa-potoana farany. 59-47 kosa ny isa farany nisarahana, nivoaka nandresy mazava ny Ankoay. I Mathias M’Madi no nahafaty ny isa 28 manome 47% tamin’ny isa azon’ny Malagasy. I Mali izay nandresy an’i Bénin tamin’isa mavesatra 106-46 no hidona amintsika amin’ny manasa-dàlana.
Toky R
Raikitra ! Na tsy misy federasiona intsony aza na hoe misy fa sahirana amin'ny fifidianana izay ho mpikambana
Nidina ifotony ary nanampy ireo solontenan’ny klioba amin’ny taranja rugby izay natao tao amin’ny Kianja Malacam
Notanterahina ny alahady 24 septambra teo ny hazakazaka ho an'ny fandriampahalemana na
Ho ambohipihaonan'ireo mpilalao kanetibe ny eny amin'ny kianjanlny PAC etsy Ampitatafika ny 4 sy 5 oktobra ho avy izao.
Rehefa mitavozavoza manao zavatra dia lasan'ny olona ilay noheverina hitondra ny Barea A.