airtel

Sport

04-juil-2023

Sport

Basket U19 tany Hongria Namono baolina be indrindra i M'Madi

Sample post image

Tapitra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny lehilahy latsaky ny 19 taona eo amin'ny basket. Faha 14

04-juil-2023

ny Ankoay raha nahazo fandresena indroa nanoloana ny Liban sy Hongria Vokatra tena tsara sady tsy nampoizina .Nefa ny nahazo ny dera manokana dia i Mathias M'Madi izay namono baolina betsaka indrindra. 169 no matiny ary raha atao ny salan'isa dia 24,1 isaky ny lalao nataony izany. Tena tsara izany ary raha nahay nararaotra ireo namany dia mbola mety tsara noho izao ny vokatra satria nanana ireo ranjanana afaka miaro sy mamono baolina ao ambany tabilao isika raha ysy hiteny afatsy Lova Andriatsarafara (2m 06) sy Jerry Rabibisoa ary Donovan Rakotonanahary. Ny nitondra ny baolina moa diai Rino. Ireo no dimy voalohany mahazatra fa afaka misolosolo ihany ary odan'izany i Manu ary Mickaël ary Leva. Mbola misy tokony harenina raha izany satria mitaky ny havizananana fa raha tany amin'ny lalao faharoa tany angamba no nohaona tamin' Frantsa izay tonga tany amin'ny famaranana mety tsy dia tataka be toy ireny ny isa Na izany aza dia latsaka tao anaty Vondrona mafy be ny Ankoay satria ankoatra ny Frantsay dia mbola tao koa Etazonia izay laharana fahaefatra no mbola tompodaka farany teo amin'ity sokajy ity Mila manamboatra na izany aza ary ny lesona azo tsoahina dia mila olona lava sy ranjanana ny basket eny na dia ho tena sarotra aza ny mahita toa an'i Victor Wembanyama izay mirefy 2m 22. Raha tsy tena marina angamba fa tsy angano ny fisian'i Rapeto.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina

Card image cap
21-mai-2025

Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena

Card image cap