Isan'ireo 11 nijoro voalohany ilay irakiraka afovoany malagasy, Behaja Tsirava, nandritry ny andro voalohan'ny fifaninànam-pirenena tonozianina eo amin'ny taranja baolina kitra omaly. Ny ekipan'ny Hammam Sousse teto no nifanandrina tamin'ny US Monastyr, klioba divizionina voalohany ao an-toerana ilalaovan'ity malagasy ity. Nisaraka ady sahala 0 noho 0 teto ny roa tonta. Nilalao nandritry ny 59 minitra moa teto ity avokavoka malagasy ity, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany. Azo ambara ho tsara fiditra ihany na izany aza teto ny malagasy raha ny lalao natolony no jerena.
Nangonin'i J. Mirija