airtel

Sport

20-sept-2023

Benony Jacques

"Aza potehina ireo nimatimatesanay"

Sample post image

Nivoaka ny fahanginana indray ny filohan'ny federasionan'ny baolina kitra teo aloha, Benony Jacques.

20-sept-2023

Mampanahy hoy izy ny fifidianana izay ho filohan'ny FMF izay hatao ny volana oktobra izao raha ny zava -misy amin'izao no jerena. Misy izany kandidam-pajakana izany ary misy koa ireo filohan'ny ligy izay efa miseho ho fanta-bahoaka fa manohana kandida iray. Mbola hita koa ireo kandida nidina tany ifotony nanohana kandida izay nilatsaka ho filohan'ny ligy. Betsaka ny zavatra tsy mandeha amin'ny laoniny ka raha tokony ho izy dia tokony ahemotra amin'ny fotoana mahamety azy ity fifidianana ity mba hisian'ny tena filamilamina sy safidy mifanaraka amin'ny tena filana ary olona tia ny baolina kitra sy mahafehy ny asa. Aoka tsy ho potehina ny zavatra nimatimatesanay nanomboka ny taona 1987 ka nahazoan'ny baolina kitra birao hiasana malalaka tsy nisy teritery ary indrindra indrindra tsy tafiditry ny politika, hoy ihany i Benony Jacques. Mila olona afaka miaro ny baolina kitra malagasy ary tsy mila mpandika teny fa mahafehy tsara ny teny frantsay sy anglisy, hoy ihany izy namaranana ity tsetsatsetsa tsy aritra nateraky ny fitiavana baolina kitra malagasy.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina

Card image cap
21-mai-2025

Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena

Card image cap