airtel

Sport

28-mars-2023

Sport

CAN 2023 Nibaby kitra indray ny Barea !

Sample post image

Raha tena manakambo i Nicolas Dupuis dia tokony miala amin'izay fa tena manala-baraka ny zavatra asehony. Resy indray mantsy ny Barea omaly tany Douala nanoloana ny Centrafrique.

28-mars-2023

Resy 2 noho 0 izany hoe nidirana baolina dimy tao anaty fihaonana indroa. Tena mahakivy satria tsy ireo tokony hijoro indray no nataon'i vazaha toy ny niverenan'i Adrien Melvin izay fantatra fa "goal sardine" araky ny fiteny. Mpiandry tsatokazo milalao amin'ny diviziona fahadimy any Frantsa ve amin'izay indray dia mbola i Jeremy Morel no eo aloha izay efa manalavazy any Montagnarde (Nat 3) sisa . Ny mba nahametimety ny lalao omaly aza dia noho i Berajo sy Dadafara ary Tantely tany aoriana. Ny tany aloha moa tsy tenina intsony fa efa fantatra fa raha mbola ity Hakim Abdallah ity dia tsy hisy baolina tafiditra izany. Lalao enina izay no nataony niaraka tamin'ny Barea fa dia tsy mbola nahafaty na indray mandeha aza ity milalao any Belzika ity saingy diviziona faharoa no misy ny Virton hilalaovany. Ariary be. Izay no mahafehy ity Abdallah ity nefa dia tsy avotsitr'i Dupuis mihitsy. Fantany tsara anefa ny miseho eny ambony kianja raha tafaraka i Jean Yves sy Rakool ary i Tsiry. Ity farany aza moa nijoro ihany saingy aty amin'ny ilany havanana tsy mahazatra azy.. Ny tao ampovoany indray dia mbola i Amada ihany na dia naratra aza .Nanampy trotraka koa i Zotsara izay miodinkodina fotsiny. Isika anefa manana an'i Tendry sy Lalaina izay tena nampiaky volana an'i Faneva Ima Andriatsima ny fahaizany mameno ny kianja ary dia mbola mamono baolina sy miaro-tena koa aza .Ny resaka no mandeha hoe diso kajy ny Mouloudia d'Alger fa tokony ity Lalaina ity no nalaina. Taloha mantsy dia nilaza i Dupuis fa tsy ampy traikefa eo amin'ny lalao iraisam-pirenena ny toto tanana. Fanamarihana izay tsy mitombona intsony taorian'iny Alzeria nahazoana ny laharana fahatelo iny. Ireo tsy nanalana tsy nanampiana nefa dia tsy hain'i Dupuis ny nandahatra azy raha tsy nisy zavatra hafa tany ambadika toy ny fomba namerenana indray an'i Melvin. Bizna no betsaka. Ny fanontaniana dia ny hoe mbola i Dupuis ihany ve no eo amin'ny lalao hihaonana amin'i Ghana eo Mahamasina sy Angola any Luanda ? Ny olona ilay tena tsy misorona mantsy ato efa miantsoantso mafy hoe aiza i Roro Rakotondrabe. Tena marina...
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap