Baolina matin'i Mendez (88) tamin'ny penalty vokatry ny hadisoan'ilay mpiandry tsatokazo lava be. Namono sady namelona ity Rapeto Mauritanien ity. Betsaka ireo baolina navotan'i Babacar Niasse fa hadisoana iray monja dia nitarika ny faharesena. Na izany aza tsy nitsanga-menatra ny Mauritanien izay tena niady hatramin'ny farany nanoloana ny Atsantsa Manga avy any Cap Vert. Hihaona amin'izay mandresy amin'i Sénégal sy Côte d'Ivoire anio maraina moa ireto Cap Vert ireto.
Clément RABARY
Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy