airtel

Sport

23-mars-2023

Sport

CAN 2023 Tsy tonga ihany koa i Ando Manoelantsoa

Sample post image

Taorian'ny tsy fahatongavan'i Marco Ilaimaharitra dia fantatra koa fa tsy ho avy koa ny zandrin'i Bolida,

23-mars-2023

 Ando Manoelantsoa izay milalao atsy La Réunion ary voalaza fa irakiraka tena avanana amin'ny fiarovantena. Banga izany raha tsorina ny ao ampovoan'ny kianja nefa sarotra ny hino fa hijoro i Dax. Tsy maintsy Amada sy Lalaina izany aloha miampy an' Rayan Raveloson raha tsy hoe tonga dia alahatra amin'i Rakool ity zaanak'i Pierre Kely ity izay hikoizana amin'ny famonoana baolina . Tsy an-,jaza anefa ny ady eo ampovoan'ny kianja satria manana an'i Kondogbia ilay amin'ny Atlético Madrid ry zarea Centrafrique .Ary ny mampatahotra dia ny fijoroan'i Jérémy Morel aoriana sy ny fanzovan'i Nicolas Dupuis lohany an'i Hakim Abdallah. Raha izay mantsy no fipetrany dia tsy ahazo ny fon'ny mpijery eo Mahamasina indrindra fa dia mbola i Franklin Andriamanarivo no nantsoin'i Dupuis hanampy azy Raha ireo tany amin'ny CHAN anefa no betsaka hijoro dia tokony nomena an'i Roro Rakotondrabe ny toerana. Raha vokatra no tadiaviny dia tokony ho izay satria tsy misy handrasana an'i Nicolas Dupuis ity izay nilaza fa hiala amin'ny septambra hay moa ka efa tapitra amin'io ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny federasiona. Ary nilaza izy fa hifindra any amin'ny Akademia namboarin'ny Filoha Rajoelina azy ohatry ny hoe tsy misy mahay afatsy ity vazaha ity Efa misy rahateo ny ANS izay eo am-pelatanan'ireo nandalim-pahaizana gasy ary manana ny diplaoma mifandraika amin'izay avo lenta tena avo lenta izay. Raha hiverenana ny baolina rahariva dia mety handresy ireo Barea raha mandeha ara-dalana ny safidy. Tombony ny fanananana an'i Nina mpiandry tsatokazo nefa mety ho very ihany izy raha tsy miaraka amin'ireo namany tany amin'ny Adema toa Tantely, Datsiry ary Dadafara. Mazava ho azy fa tsy azo avela koa i Berajo. Asa aloha fa tena tsy mahatoky raha miantefa any amin'i Morel sy Van Boto ny safidy noho ny taona mitambesatra amin'ity voalohany sy ny tsy fananana traikety ity faharoa izay mbola tsy miakatra kianja ao Auxerre. Na izany aza heverina fa hamono baolina indray Rakool, Lapoussin sy Rayan na Tsiry koa aza saingy mety tsy hijoro ity farany raha ny fanazarantena nataon'ny Barea omaly teo amin'ny kianja lehibe. Alefa (na izany aza) Barea.
Clément RABARY


 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap