airtel

Sport

05-févr-2024

CAN-Fampandresena an’i Côte d’Ivoire

Nahantona telo ilay mpitsara, noroahina ireo teo amin’ny VAR

Sample post image

Tezitra ny filohan'ny FIFA Infantino nanoloana ny fihetsiky ny mpitsara avy any Gabon,

05-févr-2024

Pierre Ghislain Atcho nandritra ny lalao nihaonan'ny Sénégal sy Côte d'Ivoire. Tsy notsofiny ny kiririoka raha nisy hadisoana nataon'ny mpilalaon'ny Côte d'Ivoire nanoloana an'i Ismailia Sarr nefa dia tokony ho penalty azon'i Sénégal ilay izy. Nolazaina fa lasa aloha koa i Nicolas Pepe raha namono baolina ary dia nolaviny. Raha tsorina dia nangalatra ary nanao izay hahatafita ny Côte d'Ivoire ity mpitsara ity. Tezitra ny filohan'ny FIFA noho ireo dia namoaka didy henjana satria tsy mahazo mitsara baolina mzndritry ny telo taona i Pierre Ghislain Atcho. Asa aloha fa dia miharihary izao fa manao risoriso ireto Côte d'Ivoire ireto. Noroahan’ny CAF ihany koa ireo olona niandrakitra ny VAR tamin'io fotoana io. Raha tsorina izany dia samy mihaiky ny rehetra fa nisy ny fanampahan-kevitra diso sy ny fitongilanan'ny mpitsara maka ireo Elefanta. Mahagaga anefa fa dia mijanona eo ny sazy fa tsy voakitika mihintsy ny tompon-tanana.Dikan'io izany raha maharesy aza ny Côte d'Ivoire amin'ity CAN ity dia mbola tsy manitsy voaresaka foana io halatra io. Rehefa hita mibaribary izany ny hadisoana maninona no tsy averina ilay lalao ?
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Hotanterahina ny Zoma 14 Jona ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy

Card image cap
17-mai-2024

Tena tsy nigika ny Ankoay omaly nanoloana an'i Lituanie tany Debrecen.

Card image cap