airtel

Sport

07-sept-2022

Sport

Carolus Andrea Nifindra ao amin’ny Najran SC

Sample post image

Taorian’ny fahavitan’ny fifanarahany tamin’ny ekipan’I Al Qadisiya, divizionina faharoa ao Arabia Saodita, dia somary azo lazaina ho niato sy naka bahana teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra mihitsy ilay lohalaharana malagasy,

07-sept-2022

Carolus Andriamahitsinoro na Carolus Andrea. Tsy isan’ireo voahantso nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’I Madagasikara ihany koa moa ny tenany taorian’izay. Teo ny voalaza ho tsy fifankahazoana tamin’ny mpanazatra ny Barea teo aloha, Eric Rabesandratana, fa nisy antony hafa kosa anefa, hoy ny fanazavany. Ankehitriny dia tsy niala ao Arabia saodita hatrany ity kintana malagasy, 33 taona, 1,72 metatra, 66 kilao ity fa dia nifindra ao amin’ny Najran SC izay divizionina voalohany kosa. Azo lazaina ho klioba mbola zandriny ny Najran SC saingy efa nahavita ezaka goavana teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra arabo kosa matoa tafakatra divizionina voalohany sahady. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny mpanazatra Nicolas Dupuis raha mbola hiantso azy handrafitra ny ekipam-pirenena moa na tsia saingy na izany na tsy izany dia mirary soa hatrany an’i Caro !
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina

Card image cap
21-mai-2025

Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena

Card image cap