airtel

Sport

07-juil-2026

CASA SPORT Ankorondrano

Manambatra ny ara-panatanjahantena sy ny zava-kanto

Sample post image

Misokatra ho an’ny daholobe ny Casa Sport,

07-juil-2026

eny Ankorondrano, anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Toerana vaovao izay manambatra ny fanatanjahantena sy zavakanto izy io. Noforonina tao anatin’ny tetikasa fonenana Eden novolavolain’ny Filatex Properties, misy trano 48 sy villa 16, izay nitombo ny endriky ny toerana noho ny fananganana kianja fanazaran-tena an-kalamanjana, manampy amin’ny kianja basikety, boulodrome roa ary skate park efa misy. Nampiana jiro maoderina ihany koa mba hahazoana antoka ny fiarovana sy hanitarana ny ora ahafahan’ny mpampiasa miditra sy manao fanatanjahantena. Ny Casa Sport dia mampiditra zavakanto ho ampahany amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina, tamin’ny alalan’ny artista malagasy sady mpahay taotrano Joël Andrianomearisoa izay namorona ilay asa goavana antsoina hoe : “Hevitra teboka baraingo sy tsoraka”, izay ahitana « barres de fer 600 » napetraka manaraka ny rindrina lehibe, mifandray mivantana amin’ny mpanao fanatanjahantena sy ny mponina. Misy dikany sy lanjany ary soatoavina mifamatotra amin’ny teny Malagasy izy io, fa naseho amin’ny endrika vy mipetraka amin’ny rindrina. Tsy vao voalohany no naneho ny finiavany amin’ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny fiaraha-monina ny Groupe Filatex, satria tamin’ny taona 2023 dia nanolotra kianja baolina kitra tao Morakenda izy ireo. Amin’ity indray mitoraka ity, ny fikojakojana sy ny fanajariana maharitra ny Casa Sport dia ho tantanin’ny Filatex miaraka amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). “Amin’ny alalan’ny fampiasam-bola maharitra amin’ny fotodrafitrasa eto an-dRenivohitra, dia asehonay ny vina momba ny tanàn-dehibe izay mandinika ny kalitaon’ny fiainan’ny mponina. Mamorona toerana izahay izay iombonan’ny asa aratoekarena, ny fanatanjahantena ary ny kolontsaina, hanome aina vaovao ho an’ny fiaraha-monina.”, hoy ny ampahan’ny fanazavanan’Atoa Vonjy Ramiarantsoa, Sekretera jeneralin’ny Groupe Filatex. Ny Casa Sport noho izany dia miseho ho mariky ny fifamenoan’ny fanatanjahantena sy ny zavakanto, sehatra iray izay manome aina vaovao ho an’ny tanànan’Antananarivo sy ny mponina ao aminy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

09-juil-2026

nefa mbola tsy menatra mitaky vola…»

Card image cap
09-juil-2026

Mandeha ankehitriny ny fanomanana

Card image cap
07-juil-2026

Tsy isalasalana, raha ny hita sahady

Card image cap
07-juil-2026

Mandeha ankehitriny ny fanomananaMandeha ankehitriny ny fanomanana

Card image cap