famaranana ny «Championnat National Féminin U17» na ny tompondakam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, latsaky ny 17 taona. Mafy ireo dingana nandalovana vao nahazo izao fandresena izao‚ hoy ny seraseran’ny klioba. Nandritry ny fifaninana dia nangataka fanohanana izahay tamin’ireo Raimandreny, zanaky ny faritra Sofia‚ hoy ny fanazavàna. Vitsy ireo namaly kanefa voninahitry ny faritra no narovana sy nentina. Tsy mahakivy anefa izany‚ azon’ny faritra Sofia ny amboara eran’i Madagasikara tamin’ity taranja ity. Mety hitohy any ivelany ny hetsika ka miantso ireo Raimandreny, zanaky ny faritra Sofia sy izay malala-tànana amin’izay fotoana izay. Tsy voatery fanohanana ara-bola no ilaina fa maro ireo te hijanona amin’ny laharana misy antsika koa ilana fanohanana izany‚ hoy hatrany ny antso nataon’ity klioba ity.
Nangonin’i J. Mirija
Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’
Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,