amin’ireo ekipam-pirenena miisa 18 hifaninana amin’izany atsy Alzeria amin’ity andiany faha 7 ity. Ny 13 janoary izao moa no hanomboka ny fifaninanana ary tsy hifarana raha tsy ny 4 febroary. Angola, Kongo, Mali, Ghana, Etiopia, Niger, Ouganda, Sénégal, Mauritania, Madagasikara, Soudan, Libya, Alzeria izay mpampiantrano, Maraoka izay efa in-droa nahazo ny anaram-boninahitra, Mozambika, RD Kongo, Kameronina, Côte d’Ivoire moa no hifaninana ao anatin’ity CHAN 2022 ity. Raha ny fahitan’ireo mpanao gazety vahiny azy dia azo sokajiana ao anatin’ny atao hoe miana-mamindra na “petit poucet” isika malagasy, izany hoe amin’ilay mety hametraka fotsiny ihany ny fandraisana anjara ho efa zava-dehibe. Mety hamoaka ny tsy ampoizina tahaka ny nitranga tany amin’ny CAN 2019 ihany koa anefa ka ho tonga amin’ny dingana lavidavitra mihitsy na dia heverina ho mafimafy ihany aza ny ady ho hatrehina satria dia ny Black star avy atsy Ghana mihitsy no hifandona amintsika voalohany. Iray vondrona amintsika ao amin’ny sokajy C ao koa ry zareo maraokanina, izay efa nahazo in-droa ity anaram-boninahitra ity, araka ny voalaza teo ihany fa dia io moa tsy misy resy tsy miady izany fa ny antsika aloha dia hoe “Alefa Barea!” hatrany.
J. Mirija
Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona