airtel

Sport

06-janv-2023

Sport

CHAN 2022 Miandry ahita Barea amin’ny TVM ny malagasy

Sample post image

Afaka herinandro dia hanomboka ao Alzeria ny fiadiana izay ho tompondakan’I Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na CHAN 2022.

06-janv-2023

Ny 15 janoary izao kosa moa no hiditra an-tsehatra voalohany ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barea. Efa nandeha ny fampahafantarana ireo fahitalavitra hampita mivantana ireo lalao isak’ireo firenena mandray anjara amin’izy ity. Ho antsika eto Madagasikara dia nambara fa ny fahitalavi-pirenena izany no tokony hampita azy io eto amintsika. Miandry, fara faha ratsiny, ahita Barea amin’ny TVM indray aloha izany ny vahoaka malagasy. Asa hoe lalao miisa firy indray anefa no ho azo amin’ity? Sanatria tsy ho ampy antsasa-manila toy ilay tamin’ny tompondaka eran-tany tatsy Qatar teo ve, indrindra, manoloana ity delestazy mbola mitoetra ity ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina

Card image cap
21-mai-2025

Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena

Card image cap