rehefa nandavo ny Soudanais tamin’ny isa mazava tsara 3 – 0. Tafiditra tamin’ny fidirana voalohany avokoa ireo boalina telo ireo, ka i Tsiry laharana faha -13 no nampiditra ny baolina voalohany teo amin’ny minisitra faha 13. Taorian’ny fanafihana nianga avy any amin’ny elatra avanana sy ny tootra tsara fipetraka kossa no nanakobanan’I Koloina fanindroany ny haraton’i Mustafa; daka mandrivorivo tsara pirina tany amin’ny zoron’ny harato, ary sokajian’ny mpitantara ny lalao ho anisan’ny baolina maty tsara indrindra tao anatin’ny CHAN 2022 . Nanindry hatrany Malagasy teo amin’ny fifehezana ny baolina sy ny fanafihana, na dia teo aza ny fahaverezam-baolina ihany aloha.Nody ventiny ny rano natsakaina fa dia namono baolina fanintelony indray i Lalaina teo amin’ny minitra faha -34, mbola fanafihana niainga avy any amin’ny elatra avanana ihany nentin’i Dax, nalatsany tao ami’i Jean Yves ary namarana azy i Lalaina. Niezaka ry zareo Soudanais tamin’ny fidirana faharoa saingy efa tsy nahovoka firy ary hita ihany hoe efa nivoraka . Voafidy ho mpilalao mendrika indrindra i Koloina, manana isa 9 i Madagasikara ary laharana voalohany ao amin’ny vondrona misy azy. I Mozambika no hifandona amin’ny Madagasikara ny sabotsy 28 janoary izao.
Nangonin’i RTT
Hamoraina ny sidin’ireo malagasy ao Eoropa sy ny manodidina, raha ny fampitam-baovao,
Vaovao mahafaly no voaray avy any Constantine - Alzeria satria dia efa mandray anjara amin'ny fanazaran-tena i Datsiry izay voadona teo amin'ny kitro keliny nandritry ny lalao nifanaovana tamin'i Soudan.
Nizaka ary niaritra ny mafy ireo mpilalaontsika ireo, hoy ny mpamakafaka fanatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala,
Miato mandra-pahatapitry ny lalaon’ny nosy aloha ny tompondaka nasionaly 2023 eo amin’ny taranja ady totohondry, hoy ny filohan’ny federasionin’ity taranja ity.
Vola am-paosin’ny filohan’ny federasionina foana no mivoaka, hoy ny filohan’ny federasionina malagasin’ny taranja ady totohondry, Herimamy Rabarisoa,