airtel

Sport

06-janv-2023

Sport

CHAN 2022 Vonona tsara ny Barea

Sample post image

Herinandro katroka eo sisa dia hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra CHAN 2022 hatao any Algérie ny 13 janoary hatramin’ny 4 febroary 2023.

06-janv-2023

Efa andro maromaro no nandao an’i Madagasikara ary manoman-tena any Tunusie ny Barean’i Madagasikara, izay tsiahivina fa iray vondrona amin’i Ghana, Maroc, ary Soudan. Hatreto, mbola baraingo ny ho fandraisan’anjaran’i Maroc izay voasokajy ho isan’ny maozatra indrindra na ao anatin’ny Vondrona na C na ho an’ny CHAN manontolo mihitsy. Izy ireo mantsy no tompondaka farany in-droa nisesy, ary vao avy namiratra tany amin’ny Mondial tany Qatar na ekena aza fa tsy ny mpilalao rehetra tany no hiatrika CHAN fa ireo milalao ao amin’ny fireneny, raha ho tonga any Algérie ihany izy ireo. Noho ny olana ara-diplaomatika eo amin’i Algérie sy Maroc anefa, mety tsy ho afaka hiatrika ny CHAN hiaro ny anaram-boninahiny i Maroc. Mety tsy hisokatra ho azy ny lanitr’i Algérie. Voalaza fa ankoatra ny Filohan’ny CAF Parice Motsepe anefa, dia voalaza fa hanatrika ny fanokafana ofisialy ny Filohan’ny FIFA Gianni Infantino ka asa izay mety ho fandaminan’ny FIFA ? Heverina fa tombony ho antsika ny mety ho tsy fahatongavan’I Maroc. Tsy mampiova ny paikady ny fanomanan’ny Barea ny lalao anefa ny fandraisan’anjara na tsia ho an’ny Maraokanina, raha ny ambaran’ny eo anivon’ny federasionina. Isan’ny paikady sy toromarika goavana nomen’ny mpanazatra ny hoe : mila mandresy amin’ny lalao voalohany hifanandrinana amin’i Ghana amin’ny lalao voalohany ny 15 janoary. Marihina hatrany fa hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny Diables Rouges ekipam-pirenen’i Congo Brazzaville ny Barea A’ anio 6 janoary, sy hifampitsapa amin’ny Mena an’i Soudan ihany koa ny alatsinainy 9 janoary.

Toky R


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap