tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Sport

Coach Rôrô sy Drogba “Mila mifampiantso sy mifampiresaka”

Mbola erotrerony sy manana ny hoaviny tanteraka eo amin’ny baolina kitra malagasy i Drogba na Tsilavina Fanomezantsoa, hoy ny filohan’ny Komity hamerina ny hasin’ny baolina kitra eto Madagasikara na K2HB, Randrianirina Jean Ignace na Ramasy.

30-déc-2022

Sample post image

Antenain’ny hoavin’ny baolina kitra malagasy izy, noho izany, hoy ity tekinisianina ity. Mifaningotra amin’ny baolina kitra koa nefa ny fitondran-tena. Na mahay tahaka ny inona aza ianao nefa tsy mametraka an’izay ny fitondran-tena dia zava-poana. Ny disadisa eo anivon’ny Barea CHAN, tokony hajaina aloha ny mpitantana. Tokony tanterahana ny toromarika omeny sy ny zavatra tiany hapetraka. Ny mpanazatra no mahazo tsiny raha tsy tanteraka izay. Isika miheritreritra hoe olona iray no manao ny baolina. Fikambanana io. Isany ny mpilalao, ny mpanazatra, ny raiamandreny. Tokony hajaintsika izay rafitra izay. Mino aho fa amin’ny maha sportifa dia tsy maintsy hisy ny fifamelana. Tsy mino aho hoe ho tonga any amina resaka fikomian’ny mpilalao rehetra toy ny tamin’ny ekipam-pirenena frantsay tamin’ny 2010 akory io satria izay no nahavoa ny frantsay tamin’izany. Tsy nisy firaisankinan’ny mpilalao tany Afrika atsimo, ohatra. Te hifaninana amina resaka toerana ireo boay kelin’ny Barea CHAN ireo ka mino aho fa tsy ho tonga amin’izany. Marina fa mifaninana anaty Pro league ireo manao CHAN ireo fa mbola tsy azo ampitahaina amin’ny ekipam-pirenena frantsay na brezilianina. Mbola sahirana ny mpilalaontsika ka manana hambom-po te hampiseho ny talentany. Mila mifampiantso sy mifampiresaka ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Coach Rôrô sy I Drogba. Raha misy faharesena tsinona dia ny mpanazatra aloha no ho voatsipindy voalohany vao ny mpilalao, hoy hatrany ity tekinisianina ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Nicolas Dupuis Mbola miezaka miaro tena hatrany
27-mars-2023

Mijanona ho mangidy, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Nicolas Dupuis, teo am-pahatongavana tao Douala, Cameroun, ny faharesena.

Card image cap
Semi marathon Nanjakan'i Fulgence
27-mars-2023

Tsy nisy dinika fa dia lasan'i Fulgence Rakotonirina indray ny fiadiana ny ho tompon-dakan'ny semi marathon notontosaina omaly maraina teto Antananarivo.

Card image cap
Tsipy Kanetibe Nodimandry teo amin'ny faha 86 taonany i Davily
27-mars-2023

Isan'ny zokiny indrindra mbola milalao kanetibe i Davily na Rakotoarinoro William raha ny eto Betafo .Nodimandry ny sabotsy teo izy raha efa 86 taona.

Card image cap
Baolina kitra- CAN 2023 Resy 3 noho 0 ny Barea !
24-mars-2023

Afa-baraka. Endrika tezitra no hita teny Mahamasina taorian'ny naharesy ny Barea 3 noho 0 omaly alakamisy.

Card image cap
Fifanitsanan’ny CAN 2023 Efa naman’ny fanomanana ny CAN 2025
24-mars-2023

Azo lazaina ho efa naman’ny fanomanana ny CAN 2025 ny lalao miisa 3 farany ho atrehintsika manomboka amin’ny 27 martsa izao,

Voir plus