COSAFA 2005 U20 na ny fifaninanana iraisampirenena eo amin’ny taranja baolina kitra aty atsimon’i Afrika, hoy ny lohalaharan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra teo aloha, Voavy Paulin, omaly raha naneho ny alahelony fa tsy isan’ny handray anjara amin’izany akory ny Barea latsaky ny 20 taona. Amin’izao fotoana izao, tsy hitan’ny karatra isika, hoy izy. Milalao voangory fotsiny ny U20 gasy, hoy ihany ity tompondakan’ny COSAFA U20 tamin’ny taona 2005 ity. Amin’ireo firenena miisa 12 mandray anjara amin’ity taona ity, etsy ankilan’izay, dia ny Barea irery no tsy ao anaty lisitra ho an’ireo ekipam-pirenena aty amin’ny ranomasimbe indianina. Tafiaraka ao amin’ny vondrona A i Maorisy sy Seisely. Ao amin’ny vondrona C kosa i Kaomoro, raha ny angom-baovao voaray hatrany. Miverimberina hatrany, manoloana ny toe-draharaha, ny fanontaniana mikasika ny antom-pisian’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF, izay efa voatsikera mafy tao aorian’ny resaka karaman’ny mpanazatran’ny ekipam-pirenena teo aloha, Romuald Rakotondrabe, hoe tsy voaloha na-nomboka ny novambra 2024. Ankehitriny izany dia tsy nahavita nampandray anjara ireo taninketsa amina fifaninanana heverina ho azo ivoarana toy izao ihany koa.
J. Mirija