ny Malagasy, mikendry hibata ny amboara
Tafavoaka mora foana ny ekipam-pirenena Malagasy teo amin’ny 1/8n-dalana ho an’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe sokajy «triplette ». Raha noheverina fa hanao valin’ady i Algérie izay efa resintsika tamin’ny isa 13-6 tamin’ny lalao fifanintsanana, dia montsana 13-0 ry zareo omaly. Somary niova kely, niverina tamin’ny endriny tamin’ny voalohany ny endriky ny ekipam-pirenena teto, izay nandahatra an’i Lova Satamandimby Rakotoarisoa, Faralahy Urbain Joseph “Balôty” Ramanantiaray ary Olivier Rakotomanana indray. Tao anatin’ny 47 minitra monja, ary « mène » miisa 5 monja, dia vita ny lalao, raha noheverina fa hiady noho ny Alzerianina manana an’i Abdelhay Nabib izay vao avy nahazo laharana faharoa na medaly volafotsy tamin’ny « tir de précision ». Nivoaka sempotra tanteraka kosa isika tamin’ny ampahefa-dalana nanoloana an’i Sénégal. Ry zareo no nitarika voalohany raha tsy hilaza afatsy ny 0-3, 2-8, 6-8, 7-8, 6-9, 7-9, 7- 11, 8-11, 10-11, 10-12,… Nanova mpilalao isika teo amin’ny 2-8 ka nanala an’i Liva, ary nampiditra an’i Tendry. Nisy efa saika resy isika, fa ny « boule » iray farany teny amin’i Tendry izay voatery ny nitifitra ary nahavoa no nanavotra. Izy izay natao « pointeur » tamin’ny lalao rehetra fa voatery nitifitra. Efa nahita « pour maty » ny Sénégalais teo amin’ilay 10-11 saingy tsy nahavita « carreau » na voa aza ny « boule » antsika, ka lasa 10-12. Tamin’ny « mène » farany no tena ady. Ratsiratsy ny pointe nataon’ny Sénégalais, raha tena nanakaiky ny « cochonné » ny an’i Tendry. Niezaka nanao pointe ny « Sénégalais », avy eo nitifitra, saingy ilay azy izay tokony ho « barrage » tsy ahazoantsika isa maro no voa, kanefa « boule » iray sisa teny ny azy, raha mbola nanana 4 isika. Niezaka nanao « pointe » mba hanakaiky ny « cochonné » mba handresena ny «boule » antsika ny azy iray farany, saingy voan’i Lova tamin’ny « carreau » nipetraka, ka efa nanana isa 2 isika teo an-kianja, ary nampiditra iray sisa dia vita ny lalao nivoahana nandresy 12-13, izany hoe mbola nanana ambina « boule » roa. Nivoaka nandresy isika, saingy nampitaintaina tanteraka ny lalao efa adin’ny roa sy sasany teo, ary iny no heverina fa isan’ny ady mafy indrindra natrehantsika tamin’ity, tena nampitaintaina, fa tena nifantoka sy niady hatramin’ny farany ny mpilalao, nampian’ny vintana. I Burkina Faso izay nandavo 13-10 an’i Côte d’Ivoire no hifandona amintsika amin’ny manasa-dalana anio amin’ny 6ora maraina, raha hifampitady kosa i Thailande mpampiantrano izay nandresy 13-7 an’i Comores sy France izay nandavo 13-6 an’i Belgique. Samy maozatra ireo, saingy tsy ny manasa-dalana no tanjona na ny famaranana ho antsika, fa ny hibata ny amboara. Alefa Madagasikara !
Toky R