airtel

Sport

24-nov-2026

Rayan Raveloson

Nangidy ny herinandro

Sample post image

Azo lazaina ho nangidy

24-nov-2026

ny herinandro ho an’ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Rayan Raveloson, raha ny vokatra azo mahakasika azy hatramin’ny faran’ny herinandro teo no ambara. Tsy nahazo fandresena mihitsy na ny klioba misy azy ao Torkia na ny Barean’i Madagasikara, raha ny angom-baovao voaray. Resin’ny Galatasaray tamin’ny isa 4 noho 3 ny Amed Sport teo amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Torkia, ho an’ny divizionina voalohany. Ny ekipam-pirenena moa iny resin’i Guinée-Bissau 2 noho 0 iny tamin’ny lalao miverina eo amin’ny fiadiana ny tapakila hankanesana any amin’ny amboaran’i Afrika na CAN 2027 rehefa avy nanao sahala 1 noho 1 taminy tamin’ny lalao mandroso. Mbola resin’ny Rize Sport tamin’ny isa 0 noho 2 koa avy eo ny Amed Sport, raha ny angom-baovao voaray omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-nov-2026

Tafita amin’ny manasa-dàlana

Card image cap