airtel

Sport

06-sept-2023

Sport

Delegasionina Réunionais Mbola nilako mpitsara indray!

Sample post image

Tsy levon’ny vavonin’ny ekipam-pirenena Réunionais eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra mihitsy ilay faharesena 1-0

06-sept-2023

nanoloana ny Barean’I Madagasikara teo amin’ny famaranana nifanandrinan’ny roa tonta ny sabotsy 02 septambra 2023 lasa teo. Raha hiverenena, dia notsofin’ny mpitsara teratany Maorisianina ny kiririoka nanome penalty ho an’ny Malagasy tany amin’ny minitra faha-118 izay efa tao anatin’ny fanalavam-potoana rehefa namely tao anatin’ny faritra tsy azo hivalozana ny mpilalao Réunionais. Nandritra ny lalao dia efa nisy ny fikasihan-tànana ny mpitsara nataon’ny mpilalaon’izy ireo, izay nirohotra nakeny ambony kianja. Nilamindamina ihany na nidongy saika tsy handray medaly aza izy ireo. Nitohy teny Ivato anefa ny tantara omaly! Olona iray anatin’ny delegasionin’ny Nosy La Réunion indray no nikasi-tànana an’ilay mpitsara Gunesh Chutoree afak’omaly, raha ny tatitra. Rehefa nifanena tamin'ny delegasiona Maorisianina, izay nahitana ity mpitsara ity ny Réunionnais dia voalaza fa niantsy ady. Nitohy ny fifamaliana am-bava rehefa nolazain'ireo delegasion'ny fa mpangalatra i Maurice. Rehefa niakatra ny ady hevitra, niafara tamin'ny fikasihan-tanana mihintsy, hoy ny tatitra. Noraisin'ny Polisy misahana ny fiambenana ny sisin-tany na ny PAF an-tanana ny raharaha, natao ny fifanantonana teo amin'ny roa tonta, ary naravona tamin'ny fifonana ny ady. Ny Lalaon’ny Nosy izay natao hampiray fa tsy hampisavorovoro, saingy tsy nanana ny toe-tsaina “fair-play” ry zareo Réunionais”. Afaka 4 taona indray manao valin’ady e!
Nangonin’I Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina

Card image cap
21-mai-2025

Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena

Card image cap