airtel

Sport

26-août-2026

Disadisa

eo amin’ny taranja Karate

Sample post image

Milaza hitokona ny mpikatroka raha tsy mivaha ny olana

26-août-2026

Ny fanapahana 007/2026/MJS nivoaka teo anivon’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, hoy ny mpikambana eo anivon’ny Fivondronan’ireo mpanao Karate tempana mainty eto Madagasikara sady tomponandraikitra tekinikan’ny klioba Mogka, Maitre Mihari-Ni-Rencho, dia milaza fa miato ny Federasionina malagasin’ny Karate tarihin’i Emile Ratefinanahary. Mitsahatra hatreo, hoy izy, no dikan’izany, ny maha filohan’ny federasionina an’io olona io. Rava tanteraka sy tokony misy intsony ny federasionina no dikan’izany amin’izao isika miteny izao. Ny ligy sy seksionina no manana raharaha azo ampandehanina. Ny mahagaga nefa dia mbola nomen’ny minisitra fahafahana hanangana komity vonjimaika na «comité ad’hoc» ihany ny olona efa lany daty. Efa eken’ilay minisitera nefa fa lany fe-potoam-piasàna tamin’ny 26 aprily 2026 io federasionina io. Mbola misandoka andraikitra ihany ilay federasionina mampitahotra ny ligy sy seksionina na atleta ho hahazo sazy ireo. Mbola mampanao fiofanana ihany koa. Fandikàna ny lalàna mifehy ny fanatanjahantena eto Madagasikara mihitsy na ny lalàna 97-014 mihitsy no mitranga izao. Tsy fahaizana ve sa fitavozavozàna sa firaisana tsikombakomba no ataon’ny minisitra? Ny andininy faha 31 sy 32 ao amin’ny lalàna 97-014 dia milaza fa rehefa rava ny federasionina dia ny minisitera no mametraka PDS na Filohan’ny delegasionina manokana na delege misahana fampandehanan-draharaha fa tsy ilay olona efa nesorina sy natsahatra tamin’ny asany indray no asaina manangana «comité ad’hoc» hifidy. Zava-doza sy tsy mifaraka amin’ny lalàna mifehy fanatanjahantena izany. Miantso ny filohan’ny fanavaozana sy ireo mpanolontsaina ambony 4 mirahalahy ary mangataka ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena hijery akaiky an’io! Simba tanteraka ilay Karate. Nitalaho sy nandohalika mafy tamin’i Mialy Rajoelina mihitsy izany Ratefinanahary Emile izany mba hitondra an’io federasionina io tamin’ny fitondràna teo aloha. Efa fantatry ny vadin’ny filoham-pirenena tamin’izany moa ny toetran’io olona io hoe TIM be tamin’ny andron’ny fitondràna Ravalomanana dia izao indray lasa TGV tamin’ny andron’ny fitondràna Rajoelina. Christian Rajaonarison, izay DTN, dia mpanolontsaina tekinika tamin’ny andron’i Rajoelina ary manana ny karatra maha mpanolontsaina tekinika izay nentiny nampitahorana ny seksionina sy ligy rehefa tsy mifanaraka aminy. Ny Kolonely Albert, izay «DTN adjoint» na tale tekinika nasionaly mpanampy, izay avy eo lasa lehiben’ny mpiambina tao amin’ny CENI tamin’ireny resaka verindroa na «doublon» ireny. Rehefa tsy hampanàja ny lalàna mandra-pifaran’ity volana aogositra ity ny minisitera dia hitokona manoloana ny minisitera eo Ambohijatovo hitaky izany ny UKCM sy ireo mpanao Karate mitaky fahamarinana, hoy hatrany ity solontenan’izy ireo ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Nahomby ny fitsapàna na "test"

Card image cap
25-août-2026

tamin'ny US Monastyr

Card image cap