airtel

Sport

13-juil-2026

Ekipam-pirenen'i Afrika Atsimo

Nodimandry i Jayden Adams

Sample post image

Nodimandry teo amin'ny faha 25 taonany

13-juil-2026

ny sabotsy teo i Jayden Adams, mpilalaon'ny ekipam-pirenen'i Afrika Atsimo na Bafana Bafana, raha ny fampitam-baovao voaray. Nohamafisin'ny mpanazatra sy mpiahy azy, Brendine Johnson, ity vaovao mampalahelo ity. Vao avy nandray anjara tamin'ny amboara erantany 2026 izy ary nilalao lalao miisa 3 niaraka tamin'ny ekipam-pireneny tao anatin'izay. Mpilalaon'ny Mamelodi Sundowns, klioba divizionina voalohany ao Afrika Atsimo, izy nialohan'izao fodiamandriny izao, raha ny angom-baovao voaray momba azy hatrany. Azo lazaina ho mpilalao toto tanana afrikanina tatsimo mbola tokony ho nanana ny hoaviny ihany koa tao afovoanin'ny kianja tao saingy tsy izay moa no fandaharan'ny Mpahary.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique