airtel

Sport

13-juil-2026

Ekipam-pirenen'i Norvezy

Nitondra ny sakafony manokana

Sample post image

Nitondra ny sakafony manokana ny

13-juil-2026

ekipam-pirenen'i Norvezy eo amin'ny taranja baolina kitra ao anatin'izao amboara erantany 2026 izao. Raha ny fampitam-baovao avy amin'ny federasion'izy ireo eo amin'ity taranja ity dia tsy noho ny tsy fahatokisana ny sakafo any amin'ny firenena mpampiantrano akory no antony fa mba tsy hanakorontanana ny fomba fisakafoanana mahazatra sy ho fikarakarana ny ara- pahasalaman'ireo mpilalao. Manodidina ny 1 taonina ny sakafo nentin'izy ireo. Isan'izany, ohatra, ny trondro isan-karazany, ny trondro "saumon", ny fromazy norvezianina sy ny maro hafa hatramin'ny voasary mba hanaovana ranom-boasary vaovao isa-maraina. Mpahandro matihanina avy any Norvezy mihitsy no nentina mba hanomana ny sakafon'izy ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique