airtel

Sport

19-déc-2022

Sport

El Hadari Andrasana ny fifindrany amina klioba goavana

Sample post image

Anisan'ny mpilalao baolina kitra tanora ho raisin’ny sampana na “agence” Sportback an-tanana i El Hadari Raheriniaina,

19-déc-2022

ilay mpilalao tanora indrindra ao amin’ny klioba malagasy Ajesaia ary zandriny indrindra ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barea farany teo ihany koa. Ity sampana voalaza teo ity moa dia manampy betsaka ireo mpilalao tanora amin’ny fitadiavana sy fifindrana amina klioba any Eoropa sy firenen-kafa, hoy ny fampitam-baovao. Mpilalao tanora maro no efa nampiany ka ireo tena mamiratra dia efa nahavita fifindrana tamina klioba goavana tany Eoropa. Isany ohatra ry Merveil Ndockyt, izay ao amin’ny FC Barcelone, Espagne, sy Franck-Yves Bambock, ao amin’ny PSG, Frantsa. Anisan’ny malagasy efa noraisiny koa teo aloha i Arnaud Randrianatenanina , izay tokony nilalao tao amin’ny klioban’i Grenoble Foot 38 saingy tsy tanteraka moa izany noho ny disadisa nisy teo amin’ireo mpitantana klioba nilalaovany teto an-toerana. Andrasana, araka izany, ny momba ny hoavin’ity zandrikely ity ao anatin’izao fahafaha-mividy mpilalao na “mercato” efa tsy ho ela intsony izao. Tsiahivina fa ny kapitenin’ny Barea teo aloha, Abel Anicet, izay hany malagasy nanao “Champions league” eoropeanina hatramin’izao niaraka tamin’ny ekipany teo aloha Ludogorets Razgrad dia fianakavian’I El Hadari ihany koa. Hirariana nefa na izany aza ity zandrikely ity mba ho lasa lavitra kokoa.
J. Mirija

Dans la même rubrique