Na i Carolus izay niverina amin'ny heriny aza dia mahavita miverina miato-tena Tsy ampy vovok’aina kely fotsiny izy sy Metanire fa tsy maninona. Ny solony no tokony ketrehina dieny izao. Fa ny tena nampiaky ny mpijery dia i Tendry izay tena nanadala an’i André Ayew mihitsy. Tena mafy i Tendry ary raha izao no mitohy dia tsy ho ela dia hahita klioba aby Eoropa ity mpanafiky ny Disciples ity i Baggio na dia kely aza dia nahavita ihany saingy toeran'i Rayan io. Tonga teo Mahamasina moa ity mpilalaon'ny AJ Auxerre ity ary inoana fa ho eo izy amin'ny lalao miverina amin'ny Angola ny volaba septambra. Raha hiverenana ny lalao dia mbola voaporofo fa tsy manana toerana ao amin'ny Barea intsony i Hakim Abdallah, Zotsara sy Melvin Adrien ary Amada Ibrahim. Raha Feno Ajesaia izao niaraka tamin'i Carolus voalohany mety ho hafahafa iny lalao iny. Manam-potoana hanamboarana i Roro Rakotondrabe ary raha toy ireny indrindra moa fa ho tonga koa Marco Ilaimaharitra. Ny vodilaharana dia mety hatreto ny fiarahan'i Fabien Boyer sy Berajo sy Dadafara ary Metanire "Machine". Raha ireo no izy fia izay vao tena alefa Barea.
Clément RABARY
Ravola Voahanginirina Éthan Eliasy na Ethan Darrell Eliasy Ravola Voahanginirina
Hatreto, azo ambara ho mandravarava anaty PFL na fifaninanam-pirenena