airtel

Sport

14-juin-2024

Fabien Boyer

Nandrandraina saingy tsy nampiasaina

Sample post image

Hatramin’izao dia mbola samy lasa saina ireo mpanara-baovao ara-panatanjahantena,

14-juin-2024

mpankafy ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, mpamakafaka ihany koa hoe inona izany no antony mbola namelana ilay vodilaharan’ny Jeunesse sportive saint-pierroise, izay klioban’ny baolina kitra atsy La Reunion, Fabien Boyer, namonjy ny famondronana ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea tany Johannesburg, Afrika atsimo, ihany ny 8 jona nefa tsy najoro teny an-kianja akory na dia hisolo toerana aza? Tsiahivina fa tsy moramora ny fifandresen-dahatry ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, Romuald Rakotondrabe, sy ny mpitantana ny klioba ilalaovan’ity vodilaharana malagasy ity mba nahafahany namonjy izay fampivondronana izay. Efa saika tsy nalefan’ny kliobany hihazo an’i Johannesburg intsony i Fabien ary tsy niatrika ny lalao nifandonan’ny Barea tamin’ny kaomorianina ny 7 jona mihitsy moa fa ny ampitson’iny vao tonga tany an-toerana. Tsy nampiakarina kianja mihitsy koa izy ny 11 jona teo nandritry ny fihaonana tamin’ny ekipam-pirenen’i Mali tao anatin’ity fifaninanana ahazoana ny tapakila ho any amin’ny amboara eran-tanin’ny baolina kitra amin’ny taona 2026 ity. Neverin’ny maro ho nandrandraina saingy tsy nampiasaina, araka izany, ity vodilaharana 33 taona ity. Azo ambara ho manam-batana sy alavana nefa ny lehilahy satria raha ny fampahafantarana ny momba azy voaray farany dia mirefy 1,87 metatra izy ary tombanana ho 80 kilao. Tsy vitan’izay fa efa naneho ny fahaizany hatrany ihany koa nandritr’ireo lalao nataony niaraka tamin’ny ekipam-pirenena. Andrasana indray, araka izany, ny mety ho tohiny amin’ny volana martsa 2025.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique