airtel

Sport

01-sept-2025

Famaranan’ny CHAN 2025

Mendrika isika na notsindriana aza

Sample post image

Nanoratra tantara sy nanandratra avo ny voninahi-pirenena

01-sept-2025

ny Barean’i Madagasikara izay niatrika ny CAN tany Tanzanie, Kenya, Ouganda,… Tamin’ny fizarana vondrona, nandresy an’i Centrafrique sy Burkina Faso ny Barea, ary nanao ady sahala tamin’i Mauritanie, raha toa ka resin’i Tanzanie. Tamin’ny ampahefa-dalana, nandresy an’i Kenya tamin’ny penalty. Tamin’ny manasa-dalana, nandresy an’i Soudan tamin’ny prolongation, na dia niady tamin’ny isa folo aza. Isaky ny dingana, naneho firaisankina sy fahaiza-manao ny ekipa, notarihin’i Romuald Rakotondrabe, ka nahatonga an’i Madagasikara ho tonga amin’ny famaranana voalohany teo amin’ny tantara. Nanome ny heriny rehetra niainga hatrany am-boalohany ka hatramin’ny farany ka nahazoana vokatra lehibe nahavaky vava ny Afrikanina. Niondrika 2-3 nanoloana an’i Maroc isika tamin’ny famaranana ny sabotsy 30 Aogositra 2025, tao amin’ny Kasarani Stadium any Nairobi, sainy mandresy ny Barea amin’ny Malagasy. Raha tsiahivina fohy, nifandona tamin’ny Lions de l’Atlas Maraokanina izay efa nibata ny amboaran’ny CHAN fanintelony tamin’iny isika, anisan’ny firenena manana rafitra baolina kitra matanjaka indrindra aty Afrika izy, ary efa tafakatra 1/2n-dalana tamin’ny «Mondial » farany teo, manana kianja ankatoavin’ny FIFA miisa 8,… Tsy nitsanga-menatra anefa isika ary miaiky izao tontolo izao fa mendrika ny Malagasy. Raha tsiahivina fohy ny lalao, dia ny Malagasy no nanokatra isa voalohany tamin’ny alalan’ny daka lavitra matin’i Félicité Mantasoa tamin’ny minitra faha-9, niteraka horakora-pifaliana ho an’ny mpanohana tany an-toerana sy Madagasikara iray manontolo. Nisesy anefa ny baolina maty 2 ho an’i Maroc nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Nampitombo fanantenana indray ho an’ny Malagasy ny baolina matin’i Toky Rakotondraibe tany amin’ny minitra faha-60 mahery kely, saingy henjana ny daka lavitra tsy nampoizina nataon’i Lamlaoui folo minitra tsy hiravana ka nandresy 3-2 ny Maraokanina, na niezaka hatramin’ny farany aza isika. Na izany aza, tsy manilika ny faharesentsika any amin’ny mpitsara, kanefa niteraka fahasorenana tsy teto Madagasikara sy ho an’ny Malagasy ihany, fa saika naneran-tany ny fomba fitsarana ny lalao, izay tsapa sy tsikaritra ny fitanilan’ilay mpitsara Cameronais Abdou Abdel Mefire, izay haingana dia haingana mitsoka kiririoka rehefa misy heverina fa hadisoana ho an’ny mpifanandrina amintsika, saingy betsaka ireo hadisoan’ny Maraokanina tsy notsofina, eny fa na ny baolina maty aza nampiady hevitra ireo heverina fa hadisoana tsy notsofina. "Andriamanitra no mandahatra ny zavatra rehetra, ka iny aloha no lahatra dia mankasitraka. Misaotra anareo vahoaka Malagasy iray manontolo nanohana teo foana. Ny alahelo hita teo ambony kianja, tamin'ny « Arbitrage », hita hoe tsy faly amintsika Malagasy ny ankamaroan'ny olona. Fa ho antsika Malagasy, mirehareha izahay mpilalao tsirairay avy amin'ny fanohananareo, ka dia mankasitraka indrindra tompoko.", hoy i Nicolas Mpilalaon’ny Barea CHAN raha namintina ny lalao sy naneho ny fihetsem-pony.
Toky R
 

Dans la même rubrique